<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>8</hymn_number>
<title>Masoko manganohano FF8</title>
<lyrics>[V1]
 Masoko manganohano,
 Nitomany feno rano
 Noho ny helok'efa vita,
 Dia mitony raha nahita
 Masonao be fiantra
 Ry Mpamonjy ny mahantra
 O Voavotrao 'lay very
 Ry fitiavana mahery.

[V2]
 Tanako mangadihady
 Nisarangotra nitady
 Fanavotana sy Vonjy
 F'efa resy ka nilonjy.
 Dia noraisinao ry Tompo
 Na dia tànana maloto
 O voavotrao 'lay very
 Ry Fitiavana mahery.

[V3]
 Foko tena fahavalo
 Nefa resy ka mimalo
 Raha nifona fa naditra
 Hitanao nipitrapitra.
 Babo ka tsy afaka ho aiza
 'Zay noraisinao ho sakaiza
 O voavotrao 'lay very
 Ry Fitiavana mahery.</lyrics>
</song>